|
|
|
|

Teny iditra angely
Sokajin-teny anarana
 Bibikely tokony 3 sm ny halavan' ny vatany, mikiririoka mankarenin-tsofina amin' ny alina. Misy mivelona ao an-trano ny angely, izay atao hoe angelinkary, ary misy mivelona eny an-tsaha. Ny angelivavy dia atao hoe kabatita na kabanty; ny feon' ny angely andavanandro dia atao hoe fikiririoka fa fivolana kosa rehefa hiady izy. Rehefa miady iny ny angely ka misy iray ho resy, dia mamoaka feo hafahafa izay ilay io, ka izany no atao hoe mamela volana. Bibikely fatra-piady ny angely ka ny mampirisika azy ireny hiady no atao hoe mikitra angely [1.1]
 The name of a species of cricket. Also called antsoindahy. The children are much given to catching these insects and making them fight. [1.2]
 A cricket [1.7]
 Grillon [1.8]
Voambolana 
Tovy hevitra antsiona

Teny iditra angely
Sokajin-teny anarana
 Olona ratsy fitondran-tena, izay atao hoe angelin' olona
Mitovy hevitra: akanga ~ angatra ~ angelingely ~ karandahy ~ mpanaram-po ~ mpiliba [1.1]
 Libertin, débauché [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11