| Teny iditra | Avaradrano | ||||||
| Sokajin-teny | anaran-tsamirery (anaran-tany) | ||||||
| Andriamasinavalona, izay nahavory voalohany an' Imerina, dia nizara azy ho efa-toko. ka Avaradrano no nataony filaharana voalohany (1675-1710). -- Tamin' ny andron' Andrianampoinimerina dia nitatra ny faritr' Imerina, ka nozarainy enim-toko izy, dia Avaradrano, Vakinisisaony, Marovatana, Ambodirano, Vonizongo, Vakinankaratra. -- Mizara telo indray Avaradrano, dia: Tsimahafotsy, Ambohimanga no renivohiny; Tsimiamboholahy, Ilafy no renivohiny; Mandiavato, Ambohidrabiby no renivohiny. Andranobevava eo atsimon' Analamahitsy, izay rano be mangeniheny tany aloha, no farany atsimo amin' Avaradrano, ka izany no naha-Avaradrano azy... [1.10] | |||||||
| Le plus célèbre des six territoires de l' Imerina d'où est sorti celui qui devait porter le nom d' Andrianampoinimerina et dont les trois bourgs principaux furent à cette époque Ambohimanga (Tsimahafotsy), Ilafy (Tsimiamboholahy) et Ambohidrabiby (Mandiavato). Le territoire est situé sur la rive nord de la rivière Andranobevava, d'où le nom qu'on lui a donné. [1.11] | |||||||
| Voambolana | |||||||
| Ohatra |
| ||||||
| Mpanahaka | Imerina enin-toko ~ Vakinisisaony ~ Marovatana ~ Ambodirano ~ Vonizongo ~ Vakinankaratra | ||||||
| Fangi-bolantany | -19, 47.5 | ||||||
| Haianarantany | avaratra#mg.n, rano#mg.n | ||||||
| Nohavaozina tamin' ny 2026/02/16 |
|