| Teny iditra |
henoy izany ry hazondamosina
|
| Sokajin-teny | kambanteny
|
| Singan-teny | henoy,
izany,
ry,
hazo,
lamosina |
| | Enti-milaza zavatra tsy tiana hohenoina ka ny hazondamosina -- misy tsilalaon-teny amin' ny vato aman-kazo izay tsy mandre na inona na inona -- no asaina mihaino azy fa tsy ny sofina [1.1]
|
| | [ henoy izany ry hazondamosiko ] Enti-milaza ny hodi-tsokatra tsy mandre akory ny havandra miraraka eo an-damosiny, ka ny heviny dia tsy firaharahana izay any ivoho any, na fanehoana tsy firaikana amin' ny teny na anatra atao; teny fanaon' ireo be marenina tsy mihaino anatra, sady fatra-paniratsira satria ny lamosiny no asainy mihaino [1.1]
|
| | Littéralement "Écoute cela, ô colonne [...] [tohiny 1.5]
|
| Ohatra | Hodi-tsokatra nilatsahan-kavandra : henoy izany ry hazon-damosina
[2.558]
|
|