|
|
|
|

Teny iditra idiran-doza
Sokajin-teny mpamaritra
Singan-teny idirana, loza
 [ idiran-doza ] Tratra, voan' ny loza; voan' ny fahasahiranana lehibe, tojo zava-tsarotra izaitsizy, idiran' angano
Fiteny mirary ratsy ho an' olona, fanompana [1.1]
 [ dirandoza ] Tenim-piontanana mivoaka ny vava raha mahare fa nisy voina lehibe nitranga tamindRanona tatsy na tamindRanona taroa: May, hono, ny tranon-dRazafy arỳ Ankorahotra. Dirandoza marina! [1.1]
Tovy hevitra idiran' angano ~ idiran' izay loza
Tohi-kevitra 
Tsipelina hafa 

Nohavaozina tamin' ny 2026/02/16