|
|
|
|

Teny iditra loka
Sokajin-teny anarana
  [Taisaka] Antoka [1.78]
 Fanamby ifanaovana: Andeha hanao loka, hoy ny sokatra tamin' ny bitro, fa izaho no ho tonga voalohany erỳ ambody hazo erỳ
Zavatra omena an' izay mahazo amin' ny fanamby: Inona no hatao loka, hoy ny bitro tamin' ny sokatra?
Lalao ifanambazana vola, ka ny mahazo dia izay maharesy (karatra), na izay naka ny mahery (baolina), na izay naka ny tonga voalohany (hazakaza-tsoavaly): Lany tamin' ny loka ny fananany
Valisoa omena an' izay voalohany amin' ny olona maro nifaninana: Anio no fizaran-doka ho an' ny mpianatra ao Ananona [1.1]
 A bet; stakes in betting; a prize [1.7]
 Pari, gageure, prix [1.8]
Sampanteny 

Teny iditra loka
Sokajin-teny anarana
 Fanipazana lefona, pala, fiadiana..., na fianarana miady amin' ny lefona [1.1]
Sampanteny 

Teny iditra loka
Sokajin-teny anarana
  [Bara, Betsileo] . Nom des nourritures les plus grossières, souvent des tubercules de plantes sauvages ou des tubercules très féculents, lourds à digérer. [1.196]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/01