|
|
|
|

Teny iditra mandrava (rava)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Manimba, mandevona, manongotra: Nandrava ny tanànan' i Toamasina ilay rivo-doza tamin' ny 3 marsa 1927
Hevitra an' ohatra: Ny ahiahy mazàna mandrava fihavanana
Mamaha, manasaratsaraka: Mandrava fiarakodia
Mandefa, manaparitaka, mampihahaka: Ny orana no nandrava ny mpivory. [1.1]
 To ruin, to destroy; to tear down; to dismiss a meeting [1.7]
 Ruiner, démolir; lever une séance, une réunion [1.8]
Ohatra 
1Fa izay mamorona tsy maintsy mandrava. [2.5]
2Ary rahefa vita ny vaky volo dia mandrava trano izay atao lapa hamorana. [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandrava
Ny lasa : nandrava
Ny hoavy : handrava
Filaza mandidy : mandravà

Teny iditra mandravà (rava)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandrava [Fitanisana]
  [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/08