|
|
|
|

Teny iditra mangetaheta (hetaheta)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Maimay hisotro, te hisotro mafy: Mahafinaritra raha mangetaheta ka sendra rano madio mangalahala
Maniry mafy hahazo, mitsiriritra lava tsy mety afa-po: Mangetaheta voninahitra Rangahy io [1.1]
 To be thirsty, ardently desirous [1.7]
 Avoir soif [1.8]
Ohatra 
1Injay, tsaroany toa mangetaheta safosafo ny tenany manontolo. [2.529]
2Firenena tia vavaka ny Malagasy, ary mangetaheta fahalalana sy fahendrena. [2.285]
3Marary izy any, tsaboy, Raha noana izy any, fahano, Mangetaheta izy any, ampisotroy. [2.69]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mangetaheta
Ny lasa : nangetaheta
Ny hoavy : hangetaheta

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/20