|
|
|
|

Teny iditra tanty
Sokajin-teny anarana
 Haron-kely fasiana ny vary hanina amin' ny indray andro; harona fisapisaka anantazan-javatra; ravin' akondro asiana ny vary miharo ronono sy tantely hanina amin' ny fandroana [1.1]
Sampanteny 

Teny iditra tanty
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
 Azo iaretana sy ihafiana, zaka: Tsy tanty ny hatsiaka androany izany
Azo leferina, lefitra: Tantinao ve izany teny feno eso izany [1.1]
 Endured [1.7]
 Qu'on supporte [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tanty, tantiko, tantinao, tantiny, tantintsika, tantinay, tantinareo, tantin', tantin-, tantim-
Ny lasa : tanty, tantiko, tantinao, tantiny, tantintsika, tantinay, tantinareo, tantin', tantin-, tantim-
Ny hoavy : ho tanty, ho tantiko, ho tantinao, ho tantiny, ho tantintsika, ho tantinay, ho tantinareo, ho tantin', ho tantin-, ho tantim-

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/19