|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  zahana
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Sampanteny 
3  Matoantenin' ny iharana :
4  Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  5  Tsy fikotrehana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6  racine de manJAhana et ampanjaHAnina [1.3#866]

Teny iditra (2/4)7  zahàna (zaha)
Sokajin-teny  8  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  9  Jerena: Zahao kely izao mandondòna izao
10  Tsidihina, jerena toetra: Efa nozahanao ve ny fambolenareo any ambanivohitra fa toa aisy havandra, hono, tany tamin' ny herinandro lasa
11  Vangiana: Zahao izany rainao naratra izany
12  Dinihina: Zahao ange ny tarehin' itỳ zaza itỳ e!
13  Tadiavina, karohina: Nozahany eran' ny lohasaha ilay ombiny very
14  Tsapaina: Zahao izay hevi-dRakoto momba on' io raharaha io [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  15  Qu’on regarde, qu’on considère, qu’on voit, qu’on examine, qu’on inspecte, qu’on visite, qu’on cherche, qu’on sonde, qu’on prouve, qu’on expérimente: Efa nozahako ny varinay ka hitako fa maniry tsara (J’ai été voir notre riz et j’ai constaté qu’il pousse bien) ~ Volamena no nozahako tany andrefana, fa tsy nahita aho (Je suis allé chercher de l’or dans l’ouest, mais je n’en ai pas trouvé) ~ Efa nozahako toetra ny mpanompoko ka hitako fa azo itokiana (J’ai éprouvé mon domestique et j’ai vu qu’il mérité confiance) [1.3]
Ohatra  16  zahana aloha ny fanoroan-takila. [2.117]
Haiendriteny 
17  Ny ankehitriny :
18  Ny lasa :
19  Ny hoavy :
20  Filaza mandidy :
Kamban-teny 
Ohabolana  22  Ohabolana misy io teny zahàna io

Teny iditra (3/4)23  zahana
Sokajin-teny  24  anarana
Voambolana  25  Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody
Fanazavàna teny malagasy  26  Karazan-kazo tena mafy fanaovana taho na zaran-javatra (Phyllarthron Bojerianum) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  27  (probablement de zahana : qu'on met à l'épreuve, qu'on expérimente) d'après Dubois : nom donné aux bois qu'on éprouvait pour en faire des manches de sagaies. Ils devaient être à la fois solides et élastiques. Suivant les dialectes, nom de divers arbres servant à faire des manches de sagaies ou d'autres outils : Phyllarthron madagascariense (Bojer) K. Schum. (Bignoniaceae). Fruit comestible, acidulé ; il était couramment vendu sur les marchés. Feuilles enduites d'un revêtement cireux ; on s'en servait pour écrire de courts messages à l'aide d'une simple pointe de bois. Écorces en décoction contre la toux et dans les crises d'asthme. [Betsileo, Merina] [1.196]
Ohatra  28  zahana no nameno ny saha rehetra, ary hazo nakadiribe no niaro ny Antakay taloha. [2.245]
Anaram-javamaniry 
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (4/4)31  zahana
Sokajin-teny  32  anarana
Voambolana  33  Haizavamaniry
Fanazavàna teny frantsay  34  (peut être par confusion avec zana Leptolaena multiflora Thouars, réf. Decary 958 et Xyloolaena perrieri F. Gérard, réf. Service Forestier 15838 (Sarcolaenaceae). Le jus sucré des fruits est sucé, surtout par les enfants. [Sakalava] [1.196]
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  36  hazana, zahana, zahàna, hazana, zahana, zahàna

Nohavaozina tamin' ny 2024/10/14