Teny iditra | afokasoka (afo, kasoka) | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Famaritana malagasy | Poti-banja miraikitra amin' ny tendron' ny tahon-kazo kely, izay akasoka amin' ny baoritra misy ankoso-banja koa ka miteraka lelafo vetivety ¶ voan' afokasoka: ny singany tsirairay ¶ tahon' afokasoka: ilay tapany tsy mirehitra ¶ tranon' afokasoka: ny fitoerany [Rajemisa 1985] | ||||
Fandikana anglisy | [kasoka, rubbing.] matches. [Richardson 1885] | ||||
a match [Hallanger 1973] | |||||
Fandikana frantsay | allumette [Hallanger 1974, SLP 1986] | ||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||
Ohatra | Ny afokasoka rahateo koa moa matetika tsy nisy, otrikafo no natao fitahirizana afo tao an-trano. [Andraina: Mitaraina, takila 10] | ||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |