Teny iditra alobotra (alo, botra)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy aretina noheverin' ny razana fa mahavoa ny zaza. Vaventy nefa mihodrahodra ny zaza lazainy fa misy alobotra, mavesatra koa ny zaza izay vaventy noho ny fahasalamany dia mavibika, fa tsy mba mahavesatra toy izany. Dia ambarany koa fa mpivalambalana ny zaza misy azy, ka ny fivalanana mandeha amin' izany dia mitsiloliloly, izay lazainy fa aretina mivoaka. [Ravelojaona 1937]
 Aretin-jaza mahatonga azy hihodrohodro, ho botabota toa matavy rano [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy [botra, plump.] A disease of children which makes them look plump. [Richardson 1885]
Voambolana 
Mpanahaka  alofisaka
Ohatra 
1fa nony nakekena, ny anankiray rombina, ary ny anankiray alobotra. [Dahle: Angano]
2Mifanohitra amin' io alofisaka io kosa ny alobotra izay mahatonga ny zaza ho diso fitombo loatra ka manjary mohaka be. [Randriamiadanarivo: Sikajy]
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31