Teny iditra aloka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Faritra maizina ao ivohon' ny zavatra iray voataratry ny hazavana: Mipetrapetraha eo amin' ny alok' itỳ trano itỳ
Toerana voaro amin' ny hainandro: Erỳ no misy aloka hisakafoantsika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A shelter against sun or rain; a shade or shadow; a shed [1.2]
  [Provincial] An umbrella, a parasol. See tandindona [1.2]
 Shelter; shade, shadow [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Abri; ombre [1.8]
 Image, ombre. [Voambolana: Fizìka] [1.13]
Ohatra 
1Tahaka ny mbola misy aloka manaraka azy ihany, na dia efa maty masoandro aza. [2.470]
2Ny masoandro efa nadiva hihoatra, ary ny aloky ny bonga feno vato nirangaranga tao ambony andrefana nampangovitra ireto vehivavy. [2.324]
Haiendriteny 
Tsotra : aloka, aloko, alokao, alony, alotsika, alokay, alokareo, alok', alo-, aloky
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Lohateny Aloky ny tiana (Razafimahefa Charles)
Andry – Aloka ML3 (Rapatsalahy José Paul)
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Teny iditra aloka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Betsileo] Matoatoa [1.78]
 Fahitana ny fanahy raha mbola velona izao ny vatana, amin' ny aloky ny tena tarafin' ny hazavana, samy hafa amin' ny tandindona. Voalazan' ny Ntaolo fa misy aloka intelo miantoana hita amin' izany: ny aloka mainty (ny vatana), ny aloka ambonin' ny mainty (ny ambiroa) ary ny aloka ambony indrindra (ny avelo) [1.1]

Teny iditra alòka (loka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao loka, enti-milaza izay ifanambazana: Vola sa zavatra àry no halòka [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : alòka, alòkako, alòkanao, alòkany, alòkatsika, alòkanay, alòkanareo, alòkan', alòkan-
Ny lasa : nalòka, nalòkako, nalòkanao, nalòkany, nalòkatsika, nalòkanay, nalòkanareo, nalòkan', nalòkan-
Ny hoavy : halòka, halòkako, halòkanao, halòkany, halòkatsika, halòkanay, halòkanareo, halòkan', halòkan-
Filaza mandidy : alokao

Teny iditra aloka (loka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atsipy, atoraka, alefa [1.1]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11