Teny iditra amboa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] Alika [1.78]
 Biby mampinono, homan-kena, mizara ho karazana telo: mpiandry tanàna, mpihaza, mpanjohy ny olombelona. Mety ho velona hatramin' ny roapolo taona ny amboa; ny filaza ny feony dia ireto avy: mivovò, minaonaona, mitomany valala. Ny amboa dia lazaina koa hoe alika, izay fampiasan' ny olona matetitetika kokoa ankehitriny, nefa ny amboa no tena malagasy hiringiriny, ka ny ahatsapana izany dia ny habetsahan' ny ohabolana misy ny teny hoe amboa, izay bebe kokoa noho ny izay ahitana ny teny hoe alika
Mitovy hevitra: batritra ~ fakon' olona ~ karin' olona ~ katritra ~ tsaikan' olona
Fanazavàna teny anglisy A dog. [Swa. mboa, a dog.] [1.2]
 A dog (a Bantu word) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Chien [1.54, 1.13]
 Chien (mot bantou) [1.8]
Ohatra 
1Tsy maniry lambo an'ala
fa manana amboa mahay mihaza
tsy maniry vorona an-danitra
fa tsara basy an-tanana
[2.131]
2Sady matahotra ahy daholo koa ireo amboa maty ireo, ka raha vao tandindomiko fotsiny ireo dia mangovitra. [2.472]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Mpanahaka  alika ~ fandroaka
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Teny iditra amboa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay Se disait de gens éhontés [2.415]
Sampanteny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/20