|
|
|
|

Teny iditra 1  amontana
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Hazo lehibe midoroboka, mitovitovy amin' ny aviavy saingy ny raviny no lehibe sy matevina kokoa, ny voany boribory sahala habe amin' ny ankiben-tongotra. Ny amontana sy ny aviavy dia fahita fahizay tamin' ny tanàna nonenan' andriana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 large trees, of which there are amontambavy and amontandahy. The milky juice is boiled and made into bird-lime. Ficus Baroni, Baker, and Ficus trichophlebia, Baker. [1.2]
5 a large tree of the fig family [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6 grand arbre, espèce de figuier, sycomore [1.8]
7 [Merina] (complication orthographique superflue de amonta). Ficus baronii Baker (Moraceae). L'un des arbres sacrés des ancêtres malgaches. Symbole de la terre ancestrale et de la maternité (par son latex). Il était planté dans tous les enclos des palais royaux et seigneuriaux. [1.196]
Ohatra  8  Isa ny amontana, Roa ny aviavy, Telo fangady, Efa-drofia, Dimy emboka. [2.69#252]
9  Koa nihazakazaka nialoha izy, dia nianika amontana anankiray hitazana azy, fa eo no handalovany. [2.996]
10  ka raha, sanatria, misy danik' andro mandoro azy avy any dia ialahy no amontana hialokalofany eto. [2.643#34]
Voambolana  11  Haizavamaniry: hazo
Tovy hevitra  12 amontambavy, amontandahy
Mpanahaka  13  aviavy
Fikambanana  14  Fitenena, anaran-tany, sns miisa 2 misy io teny io
Anarana ara-tsiansa 
Teny nalaina  16  Soratra misy io teny io

Fivaditsoratra  17 amantano, amontana, 18 manatona, manatòna

Nohavaozina tamin' ny 2026/03/07