Teny iditra Andriamatoa Ratsilefilaza
Singan-teny Andriamatoa
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tantara fohy)
Mpanoratra Ravalison Edmond
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra Rehefa afa-pana i Sahondra, dia nidina hitsidika an-drainy tany Andovosira. Nahazo andro naharitra telo volana indrindra ny mpianatra tamin'izay ka tsy nanana eritreritra hafa Ratremalahy. Gaga ny olona nahita izato hadion'ny hodi-tavan'i Sahondra. Talanjona ny mpiara-mihira taminy raha nahatsikaritra izato fahadongadongany. Nihevingevina toy ny fanjaitra akekezin'ny andriamby ny tovolahy noseraniny. Nisy aza kelikely endaka izay nahavatra nanao "haody" ny tranon-dRatremalahy na dia nataon'ny henatra parapaingo aza ny tongony. Avy hatrany anefa ilehio dia io voatosi-bohon-tanana satria sady kely tena no kely ampombo.
-- Keliray mitafy jiafotsy izany, ry dada, ka tafahaon-tsamy maivana, hoy i Sahondra.

Rehefa notantavanin' izy mianaka ireo mpangata-bady tsy latsaky ny roapolo, dia anankiray sady taviny no volony no notolorany ny " eny " . Ratsilefilaza no anarany. Tovolahy mijaridina, bikana sady ranjanana Ratsilefy. Aiza izy raha mamindra tsy mitopatopa toy ny onja ery anivon-dRasoamasay ! Komohin-dahy nanontany ny ory izy. Nananany avokoa na kafe, na jirofo. Ny vola am-bata dia aoka fotsiny. Na dia nanan-karem-bola aza anefa Ratsilefy, dia nahantra toetra vanona kosa. Lehilahy miavonavona, milanja loha, manainga orona, mpanao eson-teny maharary, tsy tia olon-kafa mitady hisongona azy, mpanararao-paty: izany no Ratsilefilaza aminy. Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty Andriamatoa Ratsilefy, fa nony antomotra kosa ny ketsa lahirodona, havaniny avokoa Imamo sy Imerina. Ninia tsy nijery izany anefa Ratrema mianaka, satria vao nampiderany ny vola nameno ny poketrany dia fanina. Ny anabavin-dRatrema no mba nahatsiaro ny tenin'ny Ombalahibemaso hoe: " Ny fanahy no olona " ka nanatona mangina ny anadahiny.
-- Sady tsy te-hijery arina an-tava aho, ry zoky, no malain-kanan-dratsy, hoy ny anabaviny, ka tonga hidinika aminao. Aza ny haren-dRatsilefy no topaza-maso fa ny toetrany malailay toy ny ravin'amiana.
-- Rahoviana anefa, ranabavy, no ho lasa anjely ny zanak' olombelona nandova ny fahotan'i Kaina sy Jodasy? hoy ny valy boraingin-dRatrema.
-- Raha misy ihany anefa ny arabe migodana, nahoana no hihazo ny lalan'omby rakotra tsilon-kavaotra?
-- Ny tsara fanahy tsy manam-bola, kitapo lasoa mikepaka ka tsy afa-mijoro!
-- Ny vola izany asandratrao ho " Rangahy " fa ny fanahy kosa aetrinao ho " letsy " ?
-- Ny mpihary tsy nambinina anie ataon'ny olona zanak'omby kamboty ka afatony an-tsisim-boly, ampiasainy ho ondrilahy tsindry varotra lehibe fa tsy mba ho lohany.
-- Sao ho Rafotsibe be kirina ka ny ora-mitraho avy no dohifina ho zavona!
-- Matoa misonenika, tsidihin-tsahoby. Ny tsikirity mangavoka no tomany kombarika fa ny railovy manjelatra kosa efa zatra ny sampan-kazo.

Tsy natao hanohitra ny vato ny atody ka lasa nisiontsiona Ramatoa. Tsy nety nilefitra Ratremalahy. Nindramin'ny sainy ny firidiridin'ny tahon-kininina amin'ny andro migaina. I Sahondra kosa moa zaza nomen-tanan'ondry ka tsy mampiraika azy ny hofany mitera-menaka. Naroso ny raharaha. Natao nakotroka, nanaikana vahoaka metroka. Vodivona no hietry ka antsanga no anontaniana ? Nisarona voaly fotsy madio i Sahondra. Mandefitra ny marina, satria lavitra elanelana Antananarivo sy Andovosira.


Nohavaozina tamin' ny 2023/10/28