Teny iditra toa
Sokajin-teny mpampitohy [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja... fa ny "toy" kosa fifanahafana, fifandraikana: Izay adala no toa an-drainy -- (Be maso toy ny rainy ity zaza ity)
(Samy hafa ny fampiasa ny toa sy ny toy ankoatra ny heviny mitovitovy: ny toa dia fampiasa: a) -eo alohan' ny anaran-tsamirery: Manantsaina toa an-dRabe ny zanany; -b) eo alohan' ny mpisolo anarana misolo olona: Tsy misy mahay toa azy; -d) eo alohan' ny anarana iombonana tsy voafaritry ny mpanondro: Maty toa tantely. Ny toy kosa dia fampiasa: a) eo alohan' ny anarana iombonana voafaritry ny mpanoritra: Mamy toy ny tantely -b) eo alohan' ny mpamaritra na mpisolo anarana manondro: Tsy mbola nisy toy izany ~ Toy izao ny fandehan' i Feno kely [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Semblable, comme, on dirait [1.5]
Kamban-teny 
Anaran-toerana 

Teny iditra toa
Sokajin-teny Tsy lazaina
Fanazavàna teny frantsay Obéir, servir [1.3, 1.5]
 Abdiquer, se soumettre à, honorer [1.3]
Sampanteny 
 

Teny iditra toa
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Ohatra ny: Toa manavy aho izany
Angamba: Toa lasa omaly Rakoto [1.1]

Teny iditra toa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Teny anti-miantso ny alika [1.1]
Tovy hevitra to

Teny iditra toa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Voalohany, lehibe, niavian' ny hoe: dadatoa, nenitoa, matoa [1.1]
Sampanteny 
Kamban-teny 

Teny iditra toa
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] Banga (antsy, ets.) [1.78]
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/27