Teny iditra angeha
Sokajin-teny kianteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Kian-teny entina manaitra kokoa ny sain' ny olona antsoina na itenenana mba hihainoany tsara izay holazaina aminy: Etsy angeha! Avia angeha! Nahoana angeha hianao no tsy mba nandeha! Jereo angeha! Ahoana angeha izany teninao? [1.10]
Fanazavàna teny anglisy An expletive chiefly used with commands, or earnest requests: Avia angeha (Now just come here) [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Un peu, donc: Jereo angeha (Regardez un peu) [1.3]
Ohatra Ka ataoko aminareo tovovavy, hoy Rafotsy, sady nampandihiziny ny fanondrony, tandremo ihany angeha io " Solony sy sariny" io! [1.223]
Tsipelina hafa 

Teny iditra angeha
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Betsileo, Tanala] (adverbe qui marque le doute, ce qu'on demande à examiner de plus près). Epallage dentata DC. (Asteraceae). A ne pas confondre avec Epallage anemonifolia DC. Appelé angea. Décoction à propriétés ocytociques ; et abortive. Malgré sa parenté apparente, il ne doit pas être administré aux femmes enceintes, sous peine de risquer un avortement. [1.196]
Anarana siantifika Epallage dentata
Voambolana 

Teny iditra angeha-
Sokajin-teny endritenin' ny hoe angehana

Nohavaozina tamin' ny 2023/12/08