|
|
|
|

Teny iditra1  Antsam-pitiavana
Singan-teny  2  antsa, fitiavana
Sokajin-teny  3  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  4  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  5  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo 
6  Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako…
7  Vahatr’aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako…
8  Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako
9  Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako… !

10  Fa fitiavako ianao, eritreritro, fanahiko…
11  Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany itsahiko !
12  Tompon’ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy !
13  Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy !

14  Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako !
15  Hira mamiko izany ka tsy afaka eo am-bavako!
16  Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany !

17  Fa fitiavako ianao, è fitiavako madio…
18  Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio :
19  Ho fitiavako ianao mandra-podiko ho tany !

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/10