|
|
|
|

Teny iditra1  antsojay
Sokajin-teny  2  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.10] [M. Richardson manao ny fototeny nihaviany ho soja; M. Malzac kosa mihevitra izany ho tsojay; M. Callet indray manao izany ho tsoja; ny hevitry ny teny anefa dia iraisany ihany] amin' ny fikendrena hanararaotra faingana ny fotoana sy ny toe-javatra mety indrindra hamelezana na hanaovana; antsontsany
4  [1.1][an-tsojay] amin-kalozana mihoa-pampana
5  [1.1] Fanararaotana ny fahadisoana kely mba hamelezana
6  [1.65] Fanararaotana ny fahadisoana kely ataon' ny hafa, iniana, na tsia, mba hanararaotana sy hamelezana azy: Tsy mba manao antsojay akory ny mpanabe, fa ny hanasoa mandrakariva ny ankizy no tokony hokendreny
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.3] avec une sévérité outrée
Ohatra  8  [4.12] Tsy izany ihany, fa anaovana antsojay ny fananan'ny Fiangonana tamin'ny fakàna an-keriny ny fitaovan'ny FJKM teny Alarobia
9  [4.39] Tsy mba nomena ny toerana tokony hisy azy ny Indostria Malagasy fa toa an-jorombala lava, ampian’ny fingampingana samihafa sy ny antsojay eny rehetra eny.
10  [4.7] Mitady hiseho lany ao amin'ny tsenan'i Soamanatombo ny antsonjay atao amin' ny mpivarotra
Fototeny  11  tsojay
Tsipelina hafa  12  antsonjay, antsojay
Kamban-teny 
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny antsojay io

Fivaditsoratra  15  Anjoatsy, antsojay, isan-jato

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21