Teny iditra babay
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Kilalaon' ankizy izay manipy zavatra eny an-tanany hisavoana dia tantazany tsy ho latsaka sady ataony hoe: "Latsaka i babay, tonga i babay". (Sarina tanisa). [1.10]
Fanazavàna teny anglisy A children's game [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Nom d'un jeu d'enfants consistant à laisser choir quelque chose de la main et à le ressaisir dans la chute. On dit en jouant : Latsaka babay, tonga babay. lit. Babay tombe, babay remonte [1.3]
Voambolana 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra babay
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Teny fanaovan' ny tambanivohitra sasany, fiovan' ny hoe "baba" (dada). [1.10]
  [Sihanaka] Renibe [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  [Provincial] In the provinces it used for father. [1.2]
Voambolana 

Teny iditra babay
Sokajin-teny tenim-piontanana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Tenim-piontanana, na fahataraina, ataon' ny olona izay voatendrin' ny manampahefana hisambotra na hitana ny olona ahiahina ho namosavy. [1.10]
Fanazavàna teny anglisy An expression of lamentation uttered by the officers appointed to seize those suspected of sorcery. [1.2]
Kamban-teny 

Teny iditra Babay
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Tendrombohitra eo ankavian-dalana mankany Mojanga, andrefan' i Moriandro, sahabo 6 km. atsimon' i Lovohitra. Mievotra eo afovoan' ny tany lamaka izy ; tomandavana mianavaratra sy mianatsimo, ary Babay no anaran-tokana ilazan' ny olona azy. Misy tendrony efatra anefa izy: ny atsimo no avo indrindra, ary mihaiva hatrany. Misy kirihitr' ala betsaka eny antenantenany eny :voafotsy no be amin' ireny, sy ilay hazo mafy atao hoe famaho, karazan' ny harahara. Samy efa nonenan' olona ireo tendrony efatra amin' i Babay. Ny atsimo indrindra dia atao hoe "Antampon' i Babay" : nonenan' izany olona natao hoe "Ibabay" na "Ralaibabay" (asa na Sakalava na Vazimba izy io). Ny tendrony manarakaraka dia "Ambohimanoro", nonenan' izay natao hoe Andriamanoro. Ny fahatelo dia "Ambohimalemizaka", nitoeran' izany "Andriamalemizaka". Ny tendrony fahefatra dia "Ambohitrandriana" ; io sisa misy mponina mandr ak' ankehitriny, ka ataon' ny olona hoe Babay. Samy voahodidina hadivory avokoa izy efatra. Fasana, fahitr' omby rava, ary vavahady mikorontana sisa hita eo amin' ireo telo atsimo. Samy fonenana tsara anefa izy, satria sady manga rivotra no akaiky rano (tra-toraka avy eo am-bavahady) ary mora iarovan-tena amin' ny fahavalo. -- Misy farihy telo namboarina eo antenantenany andrefana, izay samy be kirihitr' ala mahafinaritra. Ny lehibe indrindra dia "Andranosoa", tokony ho 150 m. ny lavany mianavaratra sy mianatsimo ary 80 m. ny sakany ; be harefo sy trondro io. Ny roa kelikely avy dia eo ambony atsinanan' ity lehibe : ankevitry ny samy 80 m. avy ny lavany ary 30 m. ny sakany : "Andranomizàna" sy "Andranonamboa" no anarany. ... [1.10]
Fanazavàna teny anglisy A mountain in Imerina [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Célèbre montagne au nord-ouest de l'Imerina [1.3]
Ohatra 
1Lohavohitra, lasan' ialahy ! ka dia alai' ny ialahy indray i Babay ! [2.48]
2Tonga indray ny taratasin'ny Prime Minister nanao hoe : Mankanesa ao Babay hianareo; [2.59]
3Avaradrano : renivohitra : Ambohimanga, Antananarivo " : Alasora " : Ambohidratrimo " : Fenoarivo " : Lohavohitra sy Babay " : Betafo sy Antsirabe. [2.113]
Voambolana 
Ohabolana 
Fangi-bolantany -18.6833333, 47.2833333

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/21