Teny iditra dadabe (dada, be)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fiantsoana ny rain' ny ray na ny rain' ny reny: Andeha ho aiza ianao, ry dadabe ?
¶ Kakibe, fa azo ampiasaina koa hilazana tsotra ny rain' ny ray na ny rain' ny reny; raibe: Lasa any an-tsena i dadaben' i Soa
¶ Teny fanajana ilazana lehilahy efa zokiolona tokony hanana zafikely [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a grandfather [Richardson 1885]
Voambolana 
Endriteny 
dadabe
dadabeko
dadabenao
dadabeny
dadabenay
dadabentsika
dadabenareo
dadaben'
dadaben-
dadabem-
Idadabe
Idadabeko
Idadabenao
Idadabeny
Idadabenay
Idadabentsika
Idadabenareo
Idadaben'
Idadaben-
Idadabem-
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Hodinihina izany, ry dadabe. [Profita: Ranary, takila 37]
2Ny dadaben' I Dada, hono, no nanatrika ny toe-javatra. [Andraina: Mitaraina, takila 107]
3Hozakaiko fa anjara dadabeko, hoy aho, nisento moramora. [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 8]
4Dadabem-borompotsy izany ilay hitanay tary an-dohasaha tary. [FOFAFIPE: Rosovola, takila 100]

Teny iditra Dadabé
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky na teatira)
Famaritana malagasy jereo Rakotoson: Dadabé
Mpanoratra 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

2017/10/19