Teny iditra fahanginana (gina)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Toetran' ny zavatra mangina, tsy andrenesana feo na tabataba, tsy fisiana tabataba: Ny fahanginana no itiavako monina etỳ ambanivohitra / Mahalasa vinany ny fahanginana etỳ ambanivohitra (tsy tokony hafangaro amin' ny fanginana: tsy fitenenana) [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy silence; quiet; loneliness [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay silence [Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
 action de se taire; solitude [Hallanger 1974]
Endriteny 
fahanginana
fahanginako
fahanginanao
fahanginany
fahanginantsika
fahanginanay
fahanginanareo
fahanginan'
fahanginan-
fahanginam-
fahangina-
-pahanginana
-pahanginako
-pahanginanao
-pahanginany
-pahanginantsika
-pahanginanay
-pahanginanareo
-pahanginan'
-pahanginan-
-pahanginam-
-pahangina-
Teny mitovy hevitra fanginana ~ hanginana
Ohatra 
1Tsy tantin-dRasoa izany fahanginana izany. [Profita: Ranary, takila 5]
2Mitady anao eny amoron'ny alina aho ka mikatsaka anao hatreny anatin'ny fahanginana! [Rakotoson: Fanadinoana]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31