Teny iditra | fanamboarana (voatra) | |
Sokajin-teny | anarana | |
Famaritana malagasy | Fanomezana endrika: Mila fanamboarana kely ity sary itỳ ¶ Fanomanana, fikarakarana: Iza no hiandraikitra ny fanamboarana ny efitra hampidirana ny mpanambady? ¶ Fandrindrana, fandaminana: Ho sarotra ihany ny fanamboarana ny fanambadian' ireto tanora ireto [Rajemisa 1985] | |
fanomezana bika zavatra iray ¶ fanamboarana ara-ivondanja: fampiharana miako mitahiry ivondanja. ¶ fanamboarana ho mira mpanondro: fanovàna ampaha ho mira mpanondro. ¶ fanamboarana ny tambatra: fanehoana ny tambatra amin'ny tomba hafa [SLP 1986] | ||
Fandikana anglisy | the act of arranging, preparing, or repairing [Hallanger 1973] | |
Fandikana frantsay | l'action d'arranger, de préparer, de réparer; l'instrument, la cause [Abinal 1888] | |
action de préparer, d'arranger, de réparer [Hallanger 1974] | ||
fabrication, usinage, transformation, façonnage ¶ fanamboarana ara-ivondanja: transformation barycentrique. ¶ fanamboarana ho mira mpanondro: réduction des fractions au même dénominateur. ¶ fanamboarana ny governemanta: remaniement du gouvernement. ¶ fanamboarana ny simba: réparation ¶ fanamboarana ny tambatra: transformation de la somme ¶ fanamboarana vola baoritra: confection de monnaies et de billets factices [SLP 1986] | ||
Mpanahaka | fanaovana | |
Ohatra | Samy nanao izay ho vitany tamin' ny fanarenana na fanamboarana ny tranony ny olona. [Andraina: Mitaraina, takila 36] | |
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |