|
|
|
|

Teny iditra1  fanapahana
Fototeny  2  tapaka
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  Fizarana (zavatra) roa misaraka tsara: Fanapahana mofo
Fiatoana, fijanonana: Tsy nitohy ny fivoriana, fa nisy fanapahana kely teo amin' ny mitataovovonana
Fandidiana: An' ny lehiben' ny fokontany ny fanapahana ny amin' izany
Tsy fahatongavana hiasa: Nohony fanapahanao telo andro dia hanesorana ny karamanao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5  the act of cutting; the act of deciding; government, authority [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6  action de couper; action de prendre une décision; gouvernement, autorité [1.8]
7  coupe, découpage, tranchage, tronçonnage, décision, interruption, amputation [1.13]
Ohatra  8  Anaovana fitànana an-tsoratra ny fanapahana nofaranana. [1.320#]
9  Azy ny fanapahana, ka izay ataony mahatrara antitra azy! [2.298#]
Kamban-teny rehetra 
Mpanahaka  14  fandidiana

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12