|
|
|
|

Teny iditra1  fandrendrehana
Fototeny  2  rendrika
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Fandatsahana ao anaty rano mba tsy ho afa-mipoitra intsony, fandentehana: Tsy zavatra mora ahory ny fandrendrehana sambo iray
Fanempoana: Orinasa lehibe ny fandrendrehana akoram-by mba hahazoana vy
Fampiokoana, fampikomiana: Sazy lehibe no anafaizana izay tratra manao fandrendreham-bahoaka
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3#524] l'action de faire fondre, la fonte, l'instrument pour faire fondre, le lieu
Ohatra  6  Dia ny fandrendrehana ny sisa sy ny fanatsoriahana azy; [2.366#]
7  Ny memy ho an' ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an' ny volamena; [2.996#]
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/07