Teny iditra fanjaitra (zaitra)
Sokajin-teny anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Fomba entina manjaitra: Tsy tiako ny fanjaitran-dRakoto palitao
Azo zairina: Ny baoritra tsy mba fanjaitra [1.1]

Teny iditra fanjaitra (zaitra)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fiasana vy lavalava kely marani-doha misy loaka ny vodiny mba hidiran' ny kofehy: Akao fanjaitra hanjairana itỳ akanjonao tata-jaitra
Mitovy hevitra: filo ~ tsaika ~ tsiverianala [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A needle [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Aiguille [1.8]
Ohatra 
1Fanjaitra sy ny lamba vaovao zairina indray maka; [2.69]
2Dia jereo tsara ny fanjaitra kely, fa izy no mpanondro ny ora. [2.332]
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 
Ankamantatra Hetrao ilaikely fa hiady? Fanjaitra.

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/23