|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  fankatoavana
Fototeny  2  to
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Fanekena an-tsitrapo fa tsara sy mety: Fankatoavana ny fanambadianao no nanomezan-drainao anao io sary io
Fanekena: Fankatoavana ny tenin-dray aman-dreny
Ohatra  5  Eo indrindra no isehoan'ny "fanompoana" : ny fankatoavana ny andriana amin'ny alalan'ny fanajana ny razany. [2.606]

Teny iditra (2/2)6  fankatoavana
Sokajin-teny  7  anarana
Fanazavàna teny frantsay  8  [1.196] (de to : accompli) Talisman qui permet d'accomplir des prodiges, accessoire de prestidigitation. En le montrant, le mpisikidy crie « foha, foha, masina ity ! » « levez-vous, levez-vous, ceci est sacré » et il en profite pour exécuter un tour de passe, afin de stupéfier les assistants. [Merina]
Ohatra  9  Nataony daholo na sikidy na fankatoavana. [2.996]
Voambolana  10  Haizavamaniry

Fivaditsoratra  11  fanatakovana, fankatoavana

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20