Teny iditra Fitadiavan-kaingo
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Rajonah (Tselatra)
Fanonta printy 1910/11/11. Vaovao frantsay-malagasy.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra - Andeha mba hirahiko, ry Koto, andeha mba hohafarako: lazao an'Andriantsimihontsina fa feno olona ny tsena fa voafafa rahomaly ny kianja; mikotaba ny zana-bahoaka fa voantso fe-maraina ny lanonana. Ikala orinao kosa, hono, hoe mipitrapitra tsy misy hotapahina, migaingaina tsy mahita hiravahana: raha nalaina ho faditry ny olona, dia naleony ihany mba nitampify tamin-dray aman-dreny !

- Fa ianao ve, Ramatoa, mba ivelany toa tokonana fa tsy ny toko mahita ny fatana; tsy ny volombodintrano manarangarana fa ny io aty rindrina manoloana? Tsy ilazana ianao vao mahalala, tsy toroana vao mahafantatra, fa hitanao avokoa ny misy sy ny tsy misy. Hotobaina, tsy an'iza fa ho anao; hotsitsina, tsy an'iza fa ho anao, ka manarana, mihevitrevera, fa sao rodarodain'ny mpanana ka mandany kitay merika andro !


Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31