Teny iditra fitantanana (tana)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fanohanana olona mandeha amin'ny fandraisana ny tanany eo am-pimindrana miaraka amin'ny tena: Ilaina ny fitantanana ny zaza vao mianamandeha.
¶ Fitondrana, fifehezana: Noraisin'ny fanjakana ny fitantanana ireo orinasa ngeza eto amin'ny firenena. [Rajemisa 1985]

Teny iditra fitantanana (tantana)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fizarana (vary, hena, sakafo, vola) amin'olona maromaro nandray anjara tamin'ny fandevenana na famadihana: Iza no hikarakara ny fitantanana ny sakafo amin'ireo mpandevina?
¶ Fiadidiana, fiandraiketana: An'ny vehivavy ny fitantanana ny vola ao an-tokantrano. [Rajemisa 1985]

2010/04/03