Teny iditra tanna (tana)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy (Endrika verindroan' ny teny hoe: "Tana") Fandraisana olona amin' ny tanana ka entina mamindra miaraka amin' ny tena. (Marihina fa efa niova toerana ny tsindrim-peon' io teny io amin' ny fiteny mahazatra ka nanjary tàntana) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Duplicatif de tana [1.3]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 

Teny iditra tantana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fizarana zavatra amin' olona maro samy kendrena hanana anjara avokoa
Fizarana vola na sakafo amin' olona maromaro nandray anjara tamin' ny fandevenana na famadihan-drazana na lanonana na asa tsotra: Mahafinaritra fa vita tsara ny tantana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Distribution de viande, de riz ou d'argent, surtout au Fandroana et aux enterrements [1.3]
 Distribution de vivres ou d'argent en parties égales [1.196]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra tantana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fandrin-javatra, lenta: Tsy mitovy tantana ny tokotany [1.1]
Fanazavàna teny frantsay égalité de niveau, égalité d'un tissu bien fait [1.3]
Kamban-teny 

Teny iditra tanna
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Sakalava] (de tana : action de retenir ; allusion au latex adhésif, employé comme colle peu efficace ; on en fait surtout des gluaux pour capturer les petits oiseaux). Jatropha curcas L. (Euphorbiaceae). Nom relevé par A. Grandidier dans ses cahiers manuscrits, d'après J. Lombard, ASSEMI, vol. 7, n° 4, p. 89 (1976). [1.196]
Anarana siantifika Jatropha curcas
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11