Teny iditra fitsarana (tsara)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Asan' ny saina manavaka ny marina sy ny diso, ny tsara sy ny ratsy; fandanjalanjana ny mety sy ny tsy mety: Aoka tsy hiady hevitra firy ianareo fa samy manana ny fitsarany zavatra ny olona rehetra
¶ Fahefana napetraky ny fanjakana mampiseho izay rariny sy hitsiny amin' ny alalan' ny fandinihana sy fampiharana ny lalàna manamarina na manameloka: Efa niakatra fitsarana ny raharahan-dry Rabe sy Ranaivo
¶ Toerana anaovana io fitsarana io: Laso eny amin' ny Fitsaranai/ dada
¶ Anarana nomena ny tangena fahizay. Misy ambaratonga telo ny fitsarana: ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny Fitsarana ambony (azon' izay resy tamin' ny voalohany angatahina hitsarana azy indray), ary ny fitsarana tampony (azon' izay resy tamin' ny faharoa angatahina hitsarana azy farany). Ny atao hoe Fitsarana avo kosa dia ny antoko-mpitsara miandraikitra ny fampanoavana ny Lalàm-panorenana [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy [Rel. s. from mitsara (tsara).] Judgment, the seat of judgment. [Richardson 1885]
 a judgement; a court of law [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay jugement; tribunal [Hallanger 1974]
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Tsy very anjara koa ny fitsarana. [SeFaFi ]
2Ny Tangena no natao fitsarana farany. [Randriamamonjy: Tantara]
Teny nalaina 
Lahatsoratra 

Teny iditra fitsarana
Sokajin-teny anarana
Fandikana frantsay (racine tsara). Au sens habituel : jugement. Nom qu'on donnait au tangena : Cerbera venenifera (Poir.) Steud. (Apocynaceae) quand il servait à pratiquer l'ordalie, le « jugement de Dieu » ; on disait aussi tangena-mitsara. [Boiteau 1997]
Voambolana 
Anarana siantifika Cerbera venenifera

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31