Teny iditra foana
Sokajin-teny mpamaritra na tambinteny
Fanazavàna teny malagasy Tsy misy na inona na inona ao anatin' ny, babangoana: Tanàna foana
Tsy misy vidiny; tsy misy lanjany; maivana; tslnontsinona: Hevi-poana izany
Heverina ho toy ny tsy misy antony, tsy azo ekena, tsy manana ny maha-ara-dalàna azy: Foana ny fangatahanao / Foana ny fanambadiany satria noterena razazavavy
Very daholo, levona: Foana ny haren-dRakoto
Mitovy hevitra: Jifa ~ fongana ~ lany ~ majifa ~ tapitra
Tsy tanteraka: Foana ny fikosako noho io loza tsy nampoizina io
Tsy misy vokany: Manasatena foana ianao manao an' io fa tsy raharahain' ny ankizy akory
Tsy an-kijanona: Miasa foana izy na marary aza [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Empty, void [1.2, 1.7]
 Vain
Freely, foolishly, uselessly [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Vide [1.3, 1.8]
 Vacant, vain, frivole, insignifiant, inutile, nul, épuisé, perdu
Sans but, inutilement [1.3]
Ohatra 
1Mihomehimehy foana ialahy! [2.117]
2Miherikerika foana teo izy. [2.470]
3Aza atao fotsy volo mitazam-poana. [2.69]
Haiendriteny 
Tsotra : foana, -poana
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/14