Teny iditra hadilanana (dilana)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tanala] (hadilañana) hadilalana, fiolahana an' elakela-bohitra [1.78]
 Toerana iva kokoa sady tery, anelanelan' ny havoana roa, ka toy ny andilana mampitohy azy roa ireo; tehezan-tany nakoan' ny riaka: Mahery ny rivotra an-kadilanana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A dell, a dingle, a dale; an isthmus. See dilana [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Défilé, arête servant de trait d'union entre deux montagnes [1.3]
 Col [1.5]
Voambolana 
Tovy hevitra ankadilanana
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20