Teny iditra hataho > hatahina (hataka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asaina mihataka, atao mihataka: Hataho kely io zaza io sao pitihin' ny vato eo
Sarahina: Tsy maintsy hatahina ny biby tsy mbola marary [1.1]
Fanazavàna teny anglisy See hataka. [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : hatahina, hatahiko, hatahinao, hatahiny, hatahintsika, hatahinay, hatahinareo, hatahin', hatahin-, hatahim-, hatahi-
Ny lasa : nohatahina, nohatahiko, nohatahinao, nohatahiny, nohatahintsika, nohatahinay, nohatahinareo, nohatahin', nohatahin-, nohatahim-, nohatahi-
Ny hoavy : hohatahina, hohatahiko, hohatahinao, hohatahiny, hohatahintsika, hohatahinay, hohatahinareo, hohatahin', hohatahin-, hohatahim-, hohatahi-
Filaza mandidy : hataho

Teny iditra hataho > matahotra (tahotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mahatsiaro ny tena ho manahinahy eo anoloana na eo am-pieritreretana loza iray na olona na zavatra tsy sahy hatonina: Matahotra an-drainy mafy Isambilo fa nisy ratsy nataony
Mitovy hevitra: an-koditra ~ an-tenda ny aina ~ kasoka ~ kenda ~ mamafy ketsa ~ manahy ~ manahy velona ~ manambadi-po ~ manangambovona ~ mandry an-driran' antsy ~ mandry an-driran-defona ~ mandry tsirangaranga ~ mandry tsy lavo loha ~ mangitakitaka ~ mangorohoro ~ mangovitra ~ midobodoboka ambavafo ~ mifihifihy ~ mihararetra ~ mihena velona ~ mihendratra ~ miholy ~ mihorohoro ~ mihoron-kodidoha ~ mihoron-koditra ~ mihotakotaka ~ mikoso-maso ~ mimalo ~ mipararetra ~ miraika ~ miraikibolomaso ~ miritra aina ~ mitaintaina ~ mitebiteby ~ mitsangam-bolo ~ mivadika ambavafo ~ raiki-tahotra ~ ranga ~ rano andravina ~ tai-dava ~ taibombona ~ tora-kovitra ~ tsiravina ~ velona ahiahy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be afraid of [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Craindre, être craintif [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : matahotra, mataho-
Ny lasa : natahotra, nataho-
Ny hoavy : hatahotra, hataho-
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana