|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  hery
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Tanjaka: Mahazendana ny herin' io lehilahy io fa voatariny amin' ny tanana ila ny fiarakodia
Fahefana: Manan-kery lehibe io fanjakana io
Hafanam-po, fanamparan-tanjaka: Alao hery, rankizy, ny fianarana ~ Manao an-keriny
Asa, vokatra: Manan-kery mety hahasitrana ity zavamaniry ity ~ Nisy heriny tokoa ny fivavahana nataonareo
Ambiny: Asio heriny kely ny karamako fa nitombo betsaka ny asa tamin' ito
Hany zavatra azo natao: Tsy hitako izay hatao, ka heriko nivoaka
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] strength, force, power
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] force, puissance
Ohatra  6  Nampahazo hery ahy izany fiheverana mafonja izany. [2.4]
7  Ny hery tsy mahateo ny fanahy. [2.296]
8  Tohana sy hery ho an-dRadama ireo. [2.508]
9  Ao ny masoko mijery afaka hamindra hery. [1.231]
Sampanteny 
10  Matoantenin' ny mpanao :
11  Matoantenin' ny iharana :
12  Matoantenin' ny fameno :
13  Anarana :
14  Mpamaritra :
Kamban-teny 
Lohateny  41  Alahelo mody hery (Ny Onja)
42  Hery Mifanandrina (White Ellen)
43  Hery sy ny zava-mampatahotra : Hery et les Monstres (Pacquement François)
44  Mongon' entana tsy zanaky ny heriny (Razafiniaina Charlotte)
45  Ny herin' ny Fahatsiarovana (Rajemisa-Raolison Régis)
Ohabolana  46  Ohabolana misy io teny hery io
Lahatsoratra  47  Randzavola: hery ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/4)48  hery
Sokajin-teny  49  anarana
Fanazavàna teny malagasy  50  [1.1] Anarana ilazana ankapobeny ireo zavamaniry misy tsilotsilony, toy ny havoatra, angivy
Fanazavàna teny frantsay  51  [1.3] nom de plusieurs plantes à piquants. Comme angivy
52  [1.196] (du javanais ari ; nom général des plantes épineuses). On nomme plus spécialement ainsi, suivant les régions :
Mimosa asperata L. (Fabaceae) [Sakalava]
Solanum erythracanthum Bojer (Solanaceae) [Merina]
Voir heritsilo.
Voambolana  53  Haizavamaniry
Tovy hevitra  54  angivy, roingivy, voangivy
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (3/4)56  hery
Sokajin-teny  57  Tsy lazaina
Fanazavàna teny malagasy  58  [1.1] Fandefasana fivalanana
Fanazavàna teny frantsay  59  [1.3]
Voambolana  60  Haizavamaniry
Sampanteny 
61  Matoantenin' ny mpanao :
62  Matoantenin' ny fameno :
63  Anarana :

Teny iditra (4/4)64  hery
Sokajin-teny  65  anarana
Fanazavàna teny malagasy  66  [1.78] [Taisaka] fiverenana

Fivaditsoratra  67  hery, rehy

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/07