|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : hery

Ohabolana 1Akohokely latsaka an-kady : haneno moa kely feo, hanidina kely hery; hitoetra ihany, matahotra ny kary. [2.558]
Akoho kely latsaka an-kady : hiantso, kely feo ; hanidina, tapaka elatra ; hitoetra ihany, manin-dreny. [2.415 #2579, 2.653]
Akohokely latsaka an-kady: hiantso, kely feo; hanidina, tapak' elatra; hitoetra ihany, manina ny reniny. [2.165]
Akoho kely latsaka an-kady : hisarangotra, tsy afaka ; hiantso, kely feo. [2.415 #2580]
Akohokely latsaka an-kady : hisarongatra, tsy afaka; hiantso, kely feo; hitoetra ihany, matahotra ny kary. [2.974 #359, 2.653]
Dikanteny frantsayPetit poulet tombé dans le fossé : s' accrocher pour grimper, il ne le peut pas ; appeler, il n'a pas assez de voix ; rester où il est, il craint les chats sauvages. [2.415]
Petit poulet tombé dans le fossé : s' il veut appeler, sa voix est trop faible ; s' il veut voler, il n' a que des bouts d' ailes ; quant à rester où il est, il soupire après sa mère. [2.415 #2579]
Poussin tombé dans un fossé : s’accrocher, impossible ; crier, pas de voix ; se résigner, mais il y a le chat sauvage. [2.974 #359]
Un poussin tombé dans un fossé: pour appeler, il a la voix trop faible; pour voler, il a les ailes trop courtes; s' il y reste, il regrette sa mère. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui perdent la tête dans le malheur, ne sachant quel parti prendre. [2.415 #2580]

Ohabolana 2Akoholahy maneno an-tsena: tsy hery, fa alahelo ny tanana nilaozana. [2.653 #63]
Akoholahy maneno an-tsena : tsy hery fa hanina ny tany nilaozana. [2.558]

Ohabolana 3Amboalahy mikiky taolana : tsy hery, fa hihitra. [2.653 #136]
Amboalahy mikiky taolana : tsy herin' ny nify fa hihitra no sisa. [2.558 #166]
Toy ny amboalahy mikiky taolana : tsy hery fa hihitra. [2.415 #2331]
Dikanteny frantsayChien qui ronge un os : ce n' est pas un indice de sa force, mais la preuve de son avarice. [2.415 #2331]

Ohabolana 4Diso hery ka mandaka rafozana. [2.558 #1001]
Diso hery loatra ka mamely kopala rafozana. [2.165 #1851, 2.415 #1443]
Dikanteny frantsayAbuser de sa force et donner des coups de pied à ses beaux-parents. [2.165]
Abuser de sa force et frapper du pied ses beaux-parents. [2.415 #1443]

Ohabolana 5Ny fikambanana no hery. [2.415 #5205]
Dikanteny frantsayL' union fait la force. [2.415 #5205]

Ohabolana 6Ny hery sy ny fahangezana anie tsy mahaleo ny maka andrindrany. [2.415 #3499]
Dikanteny frantsayLa force et la corpulence ne l' emportent pas sur la méthode et le savoir-faire, ni sur la justice. [2.415 #3499]

Ohabolana 7Ny hery tsy ahombiasan' ny rariny. [2.415 #661]
Dikanteny frantsayLa force prime le droit. [2.415 #661]

Ohabolana 8Ny hery tsy mahaleo ny fanahy. [2.653 #2265, 1.1]
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy, fa ny soa anatin' ny ratsy. [2.415 #2963]
Fanazavana malagasyEntina milaza fa ny tanjaka fotsiny tsy misy fisainana dia tsy ampy. [1.1]
Dikanteny frantsayLa force ne vaut pas la vertu. [2.974 #433]
La sagesse l' emporte sur la force et le bien se trouve dans le mal. [2.415 #2963]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina à son fils Radama : elles sont devenues proverbiales. [2.415 #2963]

Ohabolana 9Ombalahy navalan-drano : ny hery efa kely, fa hambom-po no sisa. [2.415 #6032]
Ombilahy navalan-drano, ka ny hery efa kely fa ny hambom-po no sisa. [2.558 #3416]
Ombilahy navalan-drano: ny hery efa kely, fa hambom-po no sisa. [2.653 #2563]
Dikanteny frantsayTaureau jeté dans le courant d' une rivière : sa force est bien diminuée, mais il lui reste la fierté. [2.415 #6032]
Fanazavana frantsaySe disait de gens déchus et qui restent fiers. [2.415 #6032]

Ohabolana 10Vovòn' alika tsy hery fa tahotra. [2.653, 2.165, 2.974, 1.1]
Vovòn' amboa, tsy hery fa aro-tena. [2.415]
Vovòn' amboa : tsy hery fa tahotra. [2.415, 2.558]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo tsy maty am-bavany nefa maivana ady. [1.1]
Entina milaza ireo be vava izay be feo fotsiny nefa kanosa tsy sahy miroso hifanandrina. [1.1]
Dikanteny frantsayAboiement de chien: ce n'est pas courage mais peur. [2.974 #40]
Des aboiements de chien: ce n' est pas de la force, c' est de la peur. [2.165 #810]
Fanazavana frantsayCeux qui ont le verbe haut, mais peu de courage, sont semblables au chien qui aboie non par force et courage, mais par peur et pour se sauver. [2.415 #6058]

Ohabolana 11Zana-dambo mamindra : tsy hery fa mihafy. [2.165 #909, 2.558 #5079, 2.653 #3757]
Dikanteny frantsayUn marcassin marchant: ce n' est pas parce qu' il est fort, mais parce qu' il y est obligé (à cause des chasseurs qui sont à sa poursuite). [2.165]

Fizahan-teny