Teny iditra homehy (hehy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  [Bara, Taisaka] Mihomehy [1.78]
 Misoka-molotra mampiseho nify ho fanehoana hafaliana na koa fanesoana koa aza: Sahy homehy ahy ve ianao? ~ Tsy fanao ny homehy lavo
(Ankehitriny dia ny hoe mihomehy no fampiasa indrindra). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To laugh; to mock [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Rire; se moquer [1.8]
Ohatra 
1La teateany, la homehy, la teateny, tsy horofako zao! [2.606]
2tsy mahalala indrafo fa vao mainka koa faly sy homehy mahita an-dRakotomihanta mijaly sy miolanolana irery eo! [2.357]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : homehy, homehiko, homehinao, homehiny, homehintsika, homehinay, homehinareo, homehin', homehin-, homehim-
Ny lasa : nohomehy, nohomehiko, nohomehinao, nohomehiny, nohomehintsika, nohomehinay, nohomehinareo, nohomehin', nohomehin-, nohomehim-
Ny hoavy : hohomehy, hohomehiko, hohomehinao, hohomehiny, hohomehintsika, hohomehinay, hohomehinareo, hohomehin', hohomehin-, hohomehim-
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/25