Teny iditra | 1 hozatra |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.10#H.314] (Misy manao hoe ozatra , satria ny teny Malay niaviany dia urat; anefa ny misy h no efa raikitra ho teny malagasy, manaraka ny lalàn' ny fanakanbanan-teny. Ohatra: aretinkozatra fa tsy aretin' ozatra, mitsangankozatra fa tsy mitsangan' ozatra, ets. Ary ny matoanteny hoe manozatra (fa tsy mankozatra) dia iray tarika amin' ny hoe manolatra (holatra ) fa tsy mankolatra), manelatra (helatra ) fa tsy mankelatra), ets. ... 4 [1.1] Teny nentin' ny ntaolo nilaza tsorian-javatra efatra karazana ao amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby: 1) Karaza-nofo mitsiratsiraka toa tady kely izay mitambatra am-pehezany amin' ny tendrony ary mivelatra ho takelaka eo an-tenatenany ka mahay mampihetsika ny tena noho ny fahazoany mikainkona sy mitsotra: Mivonkin-kozatra aho rehefa mandeha elaela 2) Karazan-kofehy madinika fotsifotsy mitambatra nefa mivelatra mirantsana manarona ny lohataolana amin' ny famavany ka mahatonga ny taolana roa hihetsika (ohatra ny taolan-tsandry sy ny lantontsandry eo amin' ny kiho) 3) Lalan-dra: Misy marary hono, ny hoza-pon-drainy. 4) Ireo kofehy madinika kely fotsy mova tsy ny taretra fotsifotsy izay mitondra fandrenesana any amin' ny atidoha ary mitondra avy any kosa ny baiko fampihetsehana: Ny atidoha no ihaonan' ny hozatra rehetra / Voan' ny aretin-kozatra Rakoto no mahatonga ny tanany hangovitra ohatra io |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.3#274] comme ozatra |
Voambolana |
6 Haiaina |
Sampanteny |
|
Tsipelina hafa | 10 ozatra |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 23 Ohabolana misy io teny hozatra io |
Fivaditsoratra | 24 hazotra, hozatra |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02 |
![]() |