|
|
|
|

Teny iditra1  Ilay fasan-tsakaiza tiana
Singan-teny  2  ilay, fasana, sakaiza, tiana
Sokajin-teny  3  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  4  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  5  Ny Avana
Lahatsiratra manontolo 
6  Hodidinin'alam-bero,
7  tsy an-tanin-tena akory;
8  ry mpandalo ! itsero
9  'ty zatovo mampahory!

10  Solon-dray mba manoloana,
11  solon-dreny mahazatra:
12  rafi-bato mikitoana ,
13  tany mena ambony tratra,
14  ranon'ando mangatsiaka,
15  danik'andro mahamay,
16  rivodrivo-mitsoriaka,
17  ary lolo miolomay !

18  Nefa kosa italanjony,
19  ry mpandalo, igagao:
20  ny anjely any ambony
21  tonga koa mitsidika ao!

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/10