Teny iditra sakaiza
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Namana mifankazatra sy mifankatia amin' ny tena ka amborahana izay ao am-po sy izay manjo ny tena: Miaraka foana Ibalita sy Isambilo sakaizany
Enti-milaza koa lehilahy sy vehivavy mifangala-pitia any amin' ny takona (matetika, amin' ity hevitra ity, dia ampiana ny mpamaritra hoe ratsy: sakaiza ratsy
Mitovy hevitra: fatidra ~ longo ~ mahatoky ~ mifampihinana ny manta sy ny masaka ~ mpifankatia ~ mpirahalahy mizara dian' omby ~ namana ~ rano sy vary ~ tanan-kavia sy havanana ~ tapaka ~ trano atsimo sy avaratra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A friend, a companion; used of the opposite sex it means a paramour [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Ami, compagnon; amant [1.8]
Ohatra 
1Hitako, ambany aloka, ireo sakaiza. [2.270]
2Hoy ny havana aman-tsakaizanareo eto Madagaskara [2.649]
3dia mamangy ny rai-aman-dreny, sy ny lehibe, sy ny havana, sy ny sakaiza, dia manalitra vola jaka solombody akoho [2.48]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Lohateny Ny Sakaizan' ny mpitoriteny
Ohabolana 

Teny iditra sakaiza
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Merina] (au sens général : ami). Nom donné à un odi-tambavy, remède administré aux jeunes enfants. Voir aussi sakaizanankizy [1.196]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/01