Teny iditra | 1 kolontsaina |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.13] fitambaran'ireo fomba sy filamatra entina hanabeazana ka zary fomba fisainana raikitra 4 [1.62#625] fitambaran' ny fomba amam-panao vokatry ny fandinihana sy fisainana ka iraisana sy ifampitaizana ary ifandovana ao amin' ny fiarahamonina: Azo amaritana fiarahamonina iray ny kolontsaina miaina sy iainany fitambaran' ny fahaizana amam-pahalalana vokatry ny fikatsaham-pivoarana sy fandrosoana |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.13] culture |
Ohatra |
6 [2.445#85] Dia izay no nisarahan' ireto kolontsaina roa ireto. 7 [1.320] ny fandaminana na ny fampandehanana ny sehatrasa samihafa misahana lalàna, toekarena, sosialy ary kolontsaina; 8 [4.27] Vokatry ny fisedrana amin' ny raharaham-pifidianana sy kolontsaina amin' ny rafitra demokratika izay manaiky ny faharesena sy miarahaba ny mpandresy izany. 9 [2.528] Tantaraina ny angano, hoy ny mpanoratra, fa sady vakoka io no kolontsaina, sady fanabeazana mampitia vaky-boky izay tsy ferana ho bokin'angano fotsiny tsy akory. |
Singan-teny | 10 kolo, saina |
Kamban-teny |
|
Nohavaozina tamin' ny 2024/12/07 |
![]() |