Teny iditra kôsy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay Cosse [1.13]
Voambolana 
Kamban-teny 

Teny iditra Kosy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Zanakalahin' i Hama (Gen. 10. 8; 1 Tant. 1. 10). Ny taranany no natao hoe "Kosita" [1.38]
Fanazavàna teny anglisy Cush [2.996]
Fanazavàna teny frantsay Kush [2.996]
Voambolana 
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly 

Teny iditra Kosy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Razamben'i Jehody (Jer. 36. 14) [1.38]
Fanazavàna teny anglisy Cushi [2.996]
Fanazavàna teny frantsay Kushi [2.996]
Voambolana 
Tsipelina hafa 
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly 

Teny iditra Kosy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Razan' i Zefanía mpaminany (Zef. 1. 1) [1.38]
Fanazavàna teny anglisy Cushi [2.996]
Fanazavàna teny frantsay Kushi [2.996]
Voambolana 
Tsipelina hafa 
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly 

Teny iditra Kosy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Mpanompon'i Saoly (Sal. 7) [1.38]
Fanazavàna teny anglisy Cush, a Benjaminite mentioned only in the title to Ps. 7. He was probably a follower of Saul, the head of his tribe. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay Kush [2.996]
Voambolana 
Tsipelina hafa 
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly 

Teny iditra Kosy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Anaran' ny tany voahodidin' ny Ony Gihona, ilay ony faharoa nivoaka avy tany Edena (Gen. 2. 13). Angamba tao avaratr' i Asyria izy. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy Ethiopia [2.996]
Fanazavàna teny frantsay Kush [2.996]
Voambolana 
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly 

Teny iditra Kosy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Nosy kely ao atsimo andrefan'i Asia Minora, tokony ho 64 km. ao atsimon' i Mileto. Tao no nijanonan' i Paoly vetivety tamin'ny diany nitety tany fanintelony, raha niakatra ho any Jerosalema izy ; ary tonga tao izy tamin' ny harivan' ny andro nanaovany ilay teny fananarana tamin'ny loholon' ny Fiangonana tany Efesosy. Nijanona tao indray alina ny Apostoly sy ny namany, dia nandroso tamin' ny nalehany ny ampitson' iny (Asa 21. 1). Maro ny Jiosy nonina tao Kosy noho ny íandrosoan' ny varotra tao ; ary angamba nisy Kristiana tany tamin' ny nalehan' i Paoly tao. Nalaza ny nosy noho ny lamba tsara nataon' ny olona tompontany ary noho ny divay vokatry ny tany. Satria eo amin' io nosy io no ifanapahan' ny lalana avy any Grisia mankany Asia Minora sy ny avy any Syria mankany Egypta, dia nahatonga ny varotra tao ho nandroso fatratra izany. Tsy fantatra na efa tafakambana ho isan' ny fari-tanin' i Asia izy tamin' ny taona 139 B.C., na tsia ; fantatra mazava anefa fa tamin' ny andron' i Aogostosy Kaisara dia isan' io fari-tany io izy. Lalana anankiray fandalovan'ny Jiosy ity nosy ity raha miakatra hamangy an'i Jerosalema izy (Asa 21. 1). Ny anarany ankehitriny dia Stanko. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy Coos [2.996]
Fanazavàna teny frantsay Cos [2.996]
Voambolana 
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31