Teny iditra latsaka
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy (zavatra) Mianjera amin' ny tany: Latsaka ny satrony ka niondrika izy haka azy
Mianjera ao anaty lavaka: Latsaka tao anaty fantsakana ny zanaky ry zareo ao atsimo / Aza avelanao ho latsaka ao anatin' ny fakam-panahy izahay
Midina ambany, mitambotsotra: Latsaka ambany ny naotinao tamin' ny fanadinana farany
(olona) Tonga mahia kely noho ny aretina: Latsaka erỳ ianao izany hatramin' ny nahararianao
Mitete, mikoriana: Latsakany ranomasony teo am-pitantarana izany
Tafiditra, tafalentika: Latsaka ao antsaiko ny teninao
Ambany, ambaka: Tsy latsaka noho ny zokiny izy
Ambany noho, kely noho: Tsy latsaka ny ariary zato no nividianako io boky io
Fiteny amin' ny filazana ora raha mihoatra ny antsasany ka amin' izay atao fanalana amin' ny ora manaraka ny fotoana lazaina: Amin' ny sivy latsaka fahatelony izy no handeha [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Fallen down; fallen in, to fill a certain space; entered to be a scholar in a school, a soldier, etc.; laid, as bricks, stonework, etc.; not enough; fig. dead [1.2]
 Falling down; fallen down; to flow; inferior, insufficient [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qui coule [1.3, 1.8]
 Tombé, versé, mort, né, pondu [1.3]
 Posé, placé, enrôlé, avalé, admis, approuvé, accepté, qui a pénétré [1.3]
 Inférieur [1.3, 1.8]
 Qui est descendu, qui n’atteint pas, qui n’arrive pas à, moins [1.3]
 Qui tombe; insuffisant [1.8]
Ohatra 
1Latsaka ny ranomason' i Maman. [2.356]
2Tsy latsaka ny roanjato kilao ireo! [2.471]
3latsaka ao an-tsaiko ny teninao (vos paroles ont pénétré dans mon esprit) [1.3]
4tsy latsaka noho ny zokiny izy (il n’est pas inférieur à son aîné) [1.3]
5tsy latsaka izy raha hiasa (il est très fort pour le travail) [1.3]
6latsaka ambany ny mpianany tamin' ny fanadinana (ses élèves ont été inférieurs à l’examen) [1.3]
7tsy latsaka ny ariary folo isam-bolana ny vola azony (il ne gagne pas moins de dix piastres par mois) [1.3]
8tongava amin’ ny fito latsaka fahefany (arrivez à sept heures moins un quart) [1.3]
Haiendriteny 
Tsotra : latsaka, latsa-, latsaky
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/14