Teny iditra mahomby (omby)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Maharesy, mandresy: Tsy hahomby ny zokinao akory inao, fa aza minaikanaika aminy
Mitovy hevitra: mahasehaka ~ mahovoka
Ambinina, mahavoa tsara, mahazo vokatra tsara, misy vokany tsara: Nahomby ny zokiko tamin' ny fanadinana ~ Tsy nahomby ny tetik' ireo nandroba tany Toamasina
Mandaitra, afaka hanasitrana: Nahomby tokoa ny fanafody nomenao ahy fa vao nisotro eran' ny sotro aho dia nisinda ny aretin' andohako
(raha misy matoanteny eo aoriany): afaka hanao (asa iray) tsara: Tsy mahomby miasa tany izy
Tsara, vanona: Misaotra fa nahomby tokoa ny kilalaonareo, rankizy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be able to do something, to be able to effect [1.2]
 To be able to do it; to succeed [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être capable de faire une chose; réussir [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mahomby
Ny lasa : nahomby
Ny hoavy : hahomby
Filaza mandidy : mahombiaza
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/12