Teny iditra maka vavan' olona
Singan-teny maka ; vava ; olona
Sokajin-teny kambanteny
Fanazavàna teny malagasy Mino avy hatrany izay lazain' ny olona fa tsy mamototra akory ny amin' ny fahamarinany; mandray sy mino izay lazain' ny sasany (fa tsy mba miandry handre sy hahitamaso mivantana) [1.1]
Lohateny Maka vavan' olona (Tselatra)

Teny iditra Maka vavan' olona
Singan-teny maka vavan' olona
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tantara fohy)
Mpanoratra Tselatra (Rajonah), selatra+selatra
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra - Endrey ity satro-drazoky misy ivoho sy anoloana, ny lamban-drazandry misy atiny sy ivelany, fa tsy mba nampoiziko ny fo avy no misy aseho sy afenina. Nody tiana aho kanefa tampena-maso, safosafoina kanjo tiana hatory l. Fa sasa-poana ianao, raondriana, mihodin-dava, nefa ny lanimandry hitan'ny any ivelany; miery foana raotrik'afo misaron-davenona fa tsy avelan'ny setroka tsy ho hita. Fanahy afenina ahy ny anao, rahavako, ka tsy hitako izaho nierena fa notanisain'ny hafa tsy nampoizina; vaky ianao vao taitra, nandre aho vao talanjona.

- Olon-tsy tiana ve aho no indraman-teny, sa efa hala no akam-bavan'olona? Ny hafa anie, rahavako, ka zavona ta-hanelanelana ny tany; renirano ta-hampisaraka ny morona, satriny ianao tsy hanana, satriny aho hamoy. Voara andrefan-tanàna ny fitiavana ka hozongozonin'olona hitsimponany izay raraka, vato be poirim-paka ka raha mihalaka ianao dia itsapahany. Ka mbà mihevitra, mbà mitadidy fa sao roboroboin'ny hain-tanety ka mamono ny efa ato am-patana.


Nohavaozina tamin' ny 2023/10/28