|
|
|
|

Teny iditra1  malama maina
Singan-teny  2  malama, maina
Sokajin-teny  3  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] (miaraka mandrakariva amin' ny teny hoe tany): enti-milaza ny fiainana izay sarotra itondran-tena fa jerena toa mora andehanana nefa raha tsy mitandrina mety hamotraka
Ohatra  5  Tandremo fa malama maina ny tany ka tsy azo anaovana tongo-dovia [1.1]
6  Izany Iarivo izany, hono, ka malama maina. [2.499]
7  Nahatsiaro loatra manko izy fa " malama maina " ny lalantsika ety: koa mba may izy hiomana sy hitady fanefitra. [2.296]
Ohabolana  8  Ohabolana misy io teny malama maina io

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/25