|
|
|
|

Teny iditra1  maloto
Fototeny  2  loto
Sokajin-teny  3  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Misy pentina, misy loto mifotetaka, tsy voadio: Maloto izany trano izany
Misolitika, misotisoty, tsy mahadio tena: Zaza maloto i Lita kely ka ihatahan' ny namany
Mahafabaraka: Raharaha maloto io ka hihatahako madiodio
Vetaveta: Tokony hofadina ny teny maloto
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2, 1.7] filthy
6  [1.2] dirty
7  [1.7] impure
Fanazavàna teny frantsay  8  [1.3, 1.8] sale
9  [1.3] impur
10  [1.8] souillé
Ohatra  11  Marokoroko sy maloto daholo ny tenany rehetra. [2.472]
12  tsy mba azo nantsakána, fa maloto ny rano. [2.48]
13  Ireo no ho maloto aminareo amin' ny biby mandady [2.996#3.11.31]
14  Ny fitoeran-javatra rehetra misokatra fa tsy misy sarona mipetaka aminy, dia haloto [2.996#4.19]
Haiendriteny 
15  Ny ankehitriny :
16  Ny lasa :
17  Ny hoavy :
Tohi-kevitra  18  madio
Mpanahaka  19  tsymadio, tsymadiotena, solotika, solotidotika, vorery, misoritika, tsilotidotika, somitika, misotisoty, mitavontavona, somerongerona, misavoretaka, vazina, misotitika, mikesonkesona, mifotafota, mahamenatra, vetaveta, mahavoafady, mahafatyvorona, tsyfampisehomasoandro, mamoafady
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny maloto io

Fivaditsoratra  24  atolom, maloto

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21