Teny iditra mamahana (fahana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manome hanina, mampihinana: Mbola mamahana ny soavaliny i dada ~ Mamahana ny zanany ny vorona
Manisy fahana: Mamaham-basy
Manodina ny vimiainan' ny famantaranandro mba hahafahany mandeha maharitra: Mamahana famantaranandro
Mampiditra ny kofehy mitsivalana amin' ny lamba tenomina: Efa namahana ny tenona ve izao i Nenibe? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To feed, to tend, to treat hospitably, to make a present to strangers, to weave, or pass the shuttle through the warp; to wind up a spring; to load a gun, etc. [1.2]
 To offer a gift of food, to feed; to load a gun; to wind a clock [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Offrir un cadeau en vivres à un étranger, donner un repas, servir à table, nourrir, donner à manger, donner la nourriture aux animaux, charger une arme, monter une montre, mettre une trame: Mamahana ny havako aho anio (Je donne un repas aujourd'hui à mes parents) ~ Mamahana antsika Andriamanitra (Dieu nous nourrit) ~ Ny voro-manidina mamahana ny zanany (Les oiseaux donnent à manger à leurs petits) [1.3]
 Fournir la nourriture; donner à manger, nourrir; charger un fusil; remonter une horloge [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamahana
Ny lasa : namahana
Ny hoavy : hamahana
Filaza mandidy : mamahàna
Kamban-teny 

Teny iditra mamahana (fahana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mifikitra, mamikitra, misaringotra amin' ny zavatra iray mba tsy hianjera: Saiky nianjera tany an-tevana aho raha tsy namahana tamin' ny vody hazo iray
Mitovy hevitra: mamahatra
Manao ditra tsy handeha, mitokona: Namahana teo am-baravarana izy ka tsy nandeha raha tsy norahonana
Mitovy hevitra: mihenahena ~ mitokona ~ mitokozihitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To hold fast to something, as a balustrade or cord; to place the feet firmly on the ground in supporting anything or resisting any one, or as a cat pulled by the tail clings to the ground with its claws; to rest upon something or some one, as in resting confidently on God; to detain, to prevent from going or being drawn away; to hold to what belongs to another. [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamahana
Ny lasa : namahana
Ny hoavy : hamahana
Filaza mandidy : mamahàna
Kamban-teny 

Teny iditra mamana (fahana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mamahana [fitanisana]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/13