Teny iditra | fahana | ||||||||||||
Sokajin-teny | anarana | ||||||||||||
Famaritana malagasy | Tohana eo ivelan' ny zavatra iray mba hananany hery bebe kokoa ¶ Fifikirana amin' ny zavatra, fanankinana mafy ny tongotra mba tsy hianjera [Rajemisa 1985] | ||||||||||||
Fandikana anglisy | that which is the sustinence or support of another. [Richardson 1885] | ||||||||||||
Fandikana frantsay | soutien, support, action d'appuyer solidement une chose, de se cramponner, d'appuyer les pieds pour ne pas tomber, de se retenir en marchant ¶ figuré: obstination [Abinal 1888] | ||||||||||||
Sampanteny |
| ||||||||||||
Endriteny |
| ||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||
Teny iditra | fahana | ||||||||||||
Sokajin-teny | anarana | ||||||||||||
Famaritana malagasy | [Taisaka] sakafo [Rakotosaona 1975] | ||||||||||||
Sakafo omem-bahiny ¶ Hanina, sakafo: Ataovy tsara fahana ny zazakely ¶ Anjara hanina: Ento ny fahan-kisoa homena azy ¶ Ilay zavatra mampipoaka ny basy, ny tafondro: Fahan-tafondro. / Saika loza fa, hay, mbola nisy fahany ilay basy ¶ Ny hery ananan' ny vimiaina mampandeha ny famantaranandro: Tsy ampy fahana ny famantaranandronao matoa nijanona sahady ¶ Ilay kofehy mifampiditra amin' ny tenan' ny tenona mba haha-lamba azy, (ka ny fahana mitsivalana fa ny tenany mitsangana): Ny jabo dia lamba rofia, izay ny fahany landihazo! [Rajemisa 1985] | |||||||||||||
Fandikana anglisy | that without which nothing has any consistency ¶ nourishment, strength, ration, subsistence, complement ¶ that which has been made firm, complete, or solid ¶ a gun charge ¶ a present of food to strangers ¶ the weft in weaving [Richardson 1885] | ||||||||||||
Fandikana frantsay | cadeau en vivres offert à un étranger, nourriture, ration ¶ charge d'une arme à feu ¶ action de monter une horloge, un ressort, la trame d'un tissu [Abinal 1888] | ||||||||||||
Fandikana anglisy | a gift of food, food [Hallanger 1973] | ||||||||||||
Fandikana frantsay | [Taisaka] qu'on nourrit [Deschamps 1936] | ||||||||||||
cadeau en vivres; nourriture [Hallanger 1974] | |||||||||||||
Voambolana | Toe-karena: hanina | ||||||||||||
Sampanteny |
| ||||||||||||
Endriteny |
| ||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||
Ohatra |
| ||||||||||||
Teny iditra | faha~na | ||||||||||||
Sokajin-teny | tsirinteny saradroa | ||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |