Teny iditra mamangy (vangy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandeha mitsidika olona any aminy ho fanehoana firaisam-pihavanana, na ho famalifaliana azy raha marary izy: Andeha hamangy an' i Dadabe any atsimo izahay
Mitsapa alahelo, manalady: Tonga mamangy anareo izahay, tompoko, amin' izao nahalasanan' Itompokolahy izao
Mitovy hevitra: miantrano ~ mitsidika ~ mitsirika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To visit; to send greetings by messenger or letter [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Rendre visite à quelqu'un; envoyer des compliments [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamangy
Ny lasa : namangy
Ny hoavy : hamangy
Filaza mandidy : mamangia
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/05